<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>R. Lowery</author>
<lyrics>[V1]
 He, ny andon'ny maraina
 Latsaka ao an-tsaha re,
 Ka mamelona ny maina,
 Izay maniry rano be !
 Ravoravo e, ny tany,
 Fa he, ny andro maina efa
 lany,
 Ka mitsahatra ny fahantrany,
 Manaroka ny hazo be.

[V2]
 Ny fanahy karankaina
 Misy rano velona,
 Fa Jesosy andon'aina
 Manome fiainana :
 Velona ny jentilisa,
 Ny tany hay dia tonga
 Paradisa
 Marobe no efa voaisa
 Handray ny lova masina !

[V3]
 Misy làlana mizotra,
 Izay mankao Ziona re ;
 Any no mitanjozotra
 Ny vahiny marobe ;
 Ka Ziona dia mivoha
 Hidiran'ny navotan'ny
 Tsitoha ;
 Ao no ivorian'ny mifoha,
 Fa an'ny Tompo lehibe.

[V4]
 He, mikambana ny mino
 Amim-pifaliam-be.
 Ka ny hobiny maneno
 Tahaka ny rano be !
 Ao mitovy avokoa,
 Tsy misy Tompo sy
 mpanompo koa,
 Eny, razana iray tokoa
 Ny mponina ao Ziona re !</lyrics>
<title>He, ny andon'ny maraina FFPM267</title>
<hymn_number>267</hymn_number>
</song>